Back

ⓘ Oniversite Mahajanga. Ny Oniversite Mahajanga dia sekolim-panjakana ambaratonga ambony, miorina ao Mahajanga renivohitra faritra Boeny any aminny faritra avarat ..



                                               

George Rahoelina Rakotoarivelo

I George Rahoelina dia olo-manga Malagasy ary izy no filoha nitondra ny Oniversite Mahajanga voalohany indrindra taminny taona 1980 hatraminny 1989.

                                               

Dina Annicette

I Dina Annicette antsoina hoe Dina Ninie ny tena anarany dia, teraka taminny 3 May 1993 tao Mandritsara, izy no tovovavy Malagasy nahazo voalohany taminny filatrona tany aminny faritra Sofia taminny taona 2011. Ny asa ataony dia mbola mpianatra aminny oniversite sy mpilatro ary mpamorona lamaody.

Oniversite Mahajanga
                                     

ⓘ Oniversite Mahajanga

Ny Oniversite Mahajanga dia sekolim-panjakana ambaratonga ambony, miorina ao Mahajanga renivohitra faritra Boeny any aminny faritra avaratra andrefani Madagasikara no misy azy.

                                     

1. Tantara

Naorina taminny taona 1977, ny sekoly mianatra momba ny fahasalamanny nify na lÉcole supérieure de chirurgie dentaire ESCD no nisokatra voalohany taminizany. Ny Profesora George Rahoelina Rakotoarivelo no filoha nitantana ny Oniversite Mahajanga voalohany. Ny taona 1982 teo no nisokatra ireo sampana hafa toy ny sokajy fianarana mombanny fahasalamana ankapobeny na médecine générale sy ny siansa natoraly ka ireo sampana roa ireo no nosokafana taminny fomba ofisialy ny taona 1983 tao Mahajanga ihany.

                                     

2. Sampam-piofanana

Miankina

Ny Oniversite Mahajanga dia ahitana sokajy roa miankina:

  • Fianarana Fitsabona na "Faculté de médecine"
  • Siansa Natoraly na "Faculté des sciences"

Tsy miankina

Betsaka ny sokajim-piofanana izay andoava-mbola hita ao aminny Oniversite Mahajanga:

  • ISSTM
  • École de Tourisme ET
  • Institut Biologie Appliquée IBA
  • Institut Universitaire de Gestion et de Management IUGM
  • École de Langue et de Civilisation ELC
  • EATP
  • Institut dodontostomatologie tropicale de Madagascar
  • École de Droit et Science Politique EDSP
                                     

3. Krizy

Taona 2009 - 2010

Ny taona 2009, nisy ny fitokonanireo mpianatra nitaky vatsim-pianarana, taminny taona 2010, dia natao ny fifidianana filoha vaovao dia ny Profesora Rabesa Zafera Antoine no lany hitondra ny Oniversite Mahajanga.

Taona 2014

Nanomboka ny taona 2010 no nitondranny Profesora Rabesa Zafera Antoine, niroborobo ny fandrosoanny Oniversite Mahajanga, nitombo ny sampam-pianarana. Taty aminny taona 2014 dia ravana avokoa ireo foto-drafitrasa natao ary tapaka ny famatsiam-bola avy any ivelany. Akehitriny dia anatinny krizy sady fitondrana tetezamita tanteraka ny Oniversite Mahajanga.

Free and no ads
no need to download or install

Pino - logical board game which is based on tactics and strategy. In general this is a remix of chess, checkers and corners. The game develops imagination, concentration, teaches how to solve tasks, plan their own actions and of course to think logically. It does not matter how much pieces you have, the main thing is how they are placement!

online intellectual game →