Back

ⓘ Mangahazo. Ny mangahazo na kazaha na kajaha na balahazo na mahôgo dia zavamaniry amin’ ny faritra mafana, avy any Amerika. Toy ny hazo kely maniry ny mangahazo ..



                                               

Fambolena ny mangahazo

Tsy mety amin’ny fambolena voanjo ny haavo mahery ny 1500m Tany misolampy tsy mihoatra ny 12%. Tany maivana, mamasipasika, tsy mifatratra ary tsy mitana hamandoana be loatra baiboho. Fanao amin’ny tany vao novakiana Azo atao manaraka ny voly mamoa legiominosy.

                                               

Vomanga

Ny vomanga na bageda dia zavamaniry mandady. Avy any amin’ ny faritra manana toetanim-pehin-tany any Amerika ny vomanga. Eny amin’ ny tany fasehina no ambolena azy any amin’ ny faritra mafana eto amin’ izao tontolo izao. Ny mba hahazoana fakany mibontsina izay atao hoe vodiny no antony ambolena azy indrindra. Azo hanina koa ny raviny. Misy roa karazana ny vomanga famboly, dia ilay karazana mafimafy somary maina sy ilay karazana malemy somary mandranoka miloko mavo. Misy karazana vomanga iray tsy fihinana fa ambolena ampadadina hatao haingon-trano na haingon-tanàna Ipomoea pandurata. Ny vom ...

                                               

Ovy

Ny ovy dia zavamaniry misy vodiny azo hanina sady be tavolo, mitovitovy endrika amin’ ny vomanga. Antsoina ihany koa hoe ovimbazaha ity zavamaniry ity. Solanum tuberosum ny anarany ara-tsiansa. Ny vodin’ ny ovy dia isan’ny foto-tsakafon’ ny ankamaroan’ ny mponina amin’ ny faritra manana toetany antonony. Zavamaniry afaka velona mandritra ny taona ny ovy. Ny tahony, izay mety mahatratra iray metatra, dia afaka mitsangana na mandady. Maranitra ny raviny ary miloko fotsy na volomparasy na anelanelan’ izany ny voniny. Afaka mamoa misy vihiny maro ny ovy. Ny tahony sy ny raviny ary ny vodiny di ...

Mangahazo
                                     

ⓘ Mangahazo

Ny mangahazo na kazaha na kajaha na balahazo na mahôgo dia zavamaniry amin’ ny faritra mafana, avy any Amerika. Toy ny hazo kely maniry ny mangahazo ka mety mahatratra 240 sm ny haavony miala amin’ ny tany. Miloko mavo manopy maitso ny voniny. Ny halavan’ ny fakany, izay fihinana.

                                     

1. Fiavian’ ny mangahazo sy karazany

Fiavian’ ny mangahazo

Ny mangahazo dia zavamaniry avy any amin’ ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany any Amerika, any Venezoela. Nentin’ ny Pôrtogey taty Afrika ny mangahazo ka avy ao izy no niely manerana ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany rehetra sady nihanitombo ny karazany. Niely manerana ny firenena manana toetanin-jana-pehin-tany mando na toetanim-pehiben-tany ny mangahazo taty oriana.

Karazana mangahazo

Misy karazany 160 any ho any ny mangahazo any Amerika. Ny roa amin’ izany ihany no azo atao sakafo, dia ny mangahazo mangidy Manihot esculenta na Manihot utilissima izay ampiasaina indrindra amin’ ny fanamboarana koba-mangahazo tapiôka, sy ny mangahazo mamy Manihot dulcis na Manihot opi izay atao sakafo toy ny legioma.

                                     

2.1. Fambolena sy fampiasana ny mangahazo Fambolena mangahazo

Tsotra ny fambolena mangahazo: atsatoka amin’ ny tany ny tahony ary avaina ny ahitra manodina azy. Ny fangadiana ny fakany ny vodiny dia azo atao enim-bolana aty aoriana. Maniry amin’ ny tany lemaka misy nofon-tanin’ antsanga ny mangahazo. Afaka maniry hatrany amin’ ny haambo 1 000 m izy nefa mihena noho izany ny vokatra azo. Ny firenena mpamokatra mangahazo be indrindra maneran-tany dia i Brezila, i Nizeria, i Tailandy, ny Repoblika Demôkratikan’ i Kôngô ary i Indônezia.

                                     

2.2. Fambolena sy fampiasana ny mangahazo Fampiasana ny mangahazo

Ny fakan’ ny mangahazo izay miendrika varingarina dia fihinan’ ny Indianan’ i Amerika tany aloha. Azo atao sakafo koa ny raviny, indrindra rehefa voatoto ilay antsoin’ ny Malagasy hoe ravitoto.

Anamboarana zavapisotro mahamamo atao hoe cachiri ny ranon’ ny mangahazo any Goiana any Amerika Atsimo. Ny vovoka mangahazo dia ahazoana ny atao hoe farinha izay anamboarana mofomamy. Isan’ ny foto-tsakafon’ ny olona maro any Afrika Andrefana sy aty Madagasikara ny mangahazo. Azo atao koba matsora na marihitra ny mangahazo rehefa avy nokikisana. Azo anamboarana mofo maina na nandrahoina amin’ ny eton-drano mafana koa izy. Any Brezila dia ahandroina atao ilay antsoina hoe feijoada ny koba-mangahazo afangaro tsaramaso mainty.

                                     

3. Toetoetran’ ny mangahazo

Mety mahatratra 240 sm ny haavon’ ny mangahazo miala amin’ ny tany. Ny halavan’ ny fakany dia mety mahatratra 91 sm ary ny sakan’ izany dia mety mahatratra 8 sm. Ny mangahazo dia misy poizina asidra atao hoe manihôtôksinina izay manjavona rehefa tratran’ ny hafanana mandritra ny fandrahoana azy. Ny tenan’ ny mangahazo mangidy manontolo no ahitana io poizina io, fa ny hoditry ny mangahazo mamy ihany no misy izany.

Ny mangahazo mangidy Manihot utilissima na Manihot esculenta dia zavamaniry misy ravina mitapelaka, misy voniny miloko mavo manopy maitso. Ny fakan’ ny mangahazo dia sakafo tsy dia tsara satria be rano tsy ampy prôtida sy lipida ary otrikaina vitaminina. Be mpitady anefa ny mangahazo satria ny 30 %n’ ny lanjany dia tavolo.

Free and no ads
no need to download or install

Pino - logical board game which is based on tactics and strategy. In general this is a remix of chess, checkers and corners. The game develops imagination, concentration, teaches how to solve tasks, plan their own actions and of course to think logically. It does not matter how much pieces you have, the main thing is how they are placement!

online intellectual game →