Back

ⓘ Toekaren i Madagasikara. Ny toekaren i Madagasikara dia toekarena mifototra amin ny fambolena sy fiompiana na dia misy ihany aza ireo sehatr asa hafa, satria ny ..



                                               

4Mi (Madagasikara)

Ny 4Mi dia ireo olona eo amin ny fiarahamonina malagasy an-drenivohitra izay mahantra faraidiny. Tamin ny voalohany dia fanafohezana ny hoe Mifoka, Miloka, Migoka, Mivaro-tena ny teny hoe 4Mi, nefa taty aoriana dia nahafaoka ny olona mahantra an-drenivohitra, eny fa na ambanivohitra aza, io anarana io, na dia tsy mifoka na miloka na migoka na mivato-tena aza ilay olona.

                                               

Vanila

Ny vanila na lavanila dia zava-manitra fanao amin ny sakafo izay azo avy amin ny karazana ôrkidea sasany maniry toy ny vahy amin ny faritra mafana sy manorana, avy any Amerika Afovoany, ka ny Vanilla planifolia no tena fantatra amin izany. Ny teny nohagasina hoe vanila dia avy amin ny fiteny espaniôla hoe vainilla.

                                               

Dipoavatra (maniry)

Ny dipoavatra dia zavamaniry avy any India izay manome voany boribory madinika, izay ampiasaina hanomezana tsiro mafanafana ny sakafo. Piper no anarana ara-tsiansa iantsoana azy.

Toekaren i Madagasikara
                                     

ⓘ Toekaren i Madagasikara

Ny toekaren i Madagasikara dia toekarena mifototra amin ny fambolena sy fiompiana na dia misy ihany aza ireo sehatr asa hafa, satria ny 70 %n ny mponina dia tantsaha mpamboly sy mpiompy. Anisan ny firenena mbola an-dalam-pivoarana eto an-tany i Madagasikara. Araka ny tatitra momba ny IDH tamin ny taona 2000, faha 141 amin ny firenena 174 Madagasikara. Nihemotra hatrany io laharana io taty aoriana.

                                     

1. Ny fambolena sy ny fiompiana

Ny fambolena sy ny fiompiana no fiveloman ny 70 %n’ ny mponina fara-fahavitsiny. Hita na aiza na aiza ny vary ary hita fa manamarika ny fisehon’ ny tontolo manodidina, satria foto-tsakafon’ ny malagasy ny vary. Mbola lafo noho ny vary aziatika hafarana ny vary malagasy.

Ny fambolem-bary

Foto-tsakafon ny malagasy ny vary, ary manamarika ny endriky ny faritra ny saha. Araka ny filazan ny filohan ny tetezamita mikasika ny fihaonambe Rio+20 tany Brezila ny 20 jona 2012, anisan ny tanjon i Madagasikara ny ho lasa sompitry ny ranomasimbe Indianina. Ny fomba hahatratrarana izany tanjona izany dia ny fanovana an i Madagasikara hanana "toe-karena maitso".

                                     

2. Ny sehatr asa fahatelo

Banky

Taminny 1889, dia nitsangana ny banky malagasy voalohany Ny fananganana ny sandam-bola euro dia nampaherin ny vola Malagasy izay tsy niankina taminny volan ny mpanjakana teo aloha Franc frantsay, miatrika ny ampihimamban ny dolara amerikanina mahery tany aloha.

Vola vahiny

Olona vitsy an isa no manana fidiram-bola isam-bolana avy any ivelany avy amin ny havana. Tombanana ho eo amin ny 50€ hatramin ny 100€ isaky ny fianakaviana ny vola vahiny. Tamin ny Mey 2003, ny Arary malagasy no misolo ny Franc Malagasy iraimbilanja. Nanomboka tamin izany dia fametahana mari-bidy roa no apetraka eo amin ny toeram-pivarotana sy ny tsena ofisialy. Nanomboka tamin ny taona 2005 dia tsy misy afa-tsy ny Ariary malagasy no sandam-bola ofisialy ao amin ny firenena 1 Ariary = 5 iraimbilanja.

                                     

3.1. Fahantrana Antony ara-pôlitika

Anisan’ireo antony ireo ny safidy ara-politika sôsialista nandritry ny ady mangatsiaka ary ny fahataràna ara-pandrosoana vokatr’izay safidy izay: miha-simba ny foto-drafitr’asa, ny sakana ara-pandraharahana amin’ny fampivoarana ny orinasa, ny tsifitombenana ara-politika ary ara-pitsaràna.

                                     

3.2. Fahantrana Antony ara-kolontsaina

Ao koa ny fihavanan’ ny Malagasy, na dia zavatra hafa tsy miditra azo aza: mifanampy ny mpiray fianakaviana, na dia tsy mampivoatra ny tena aza ilay fifanampiana ny fianankaviana. Izay fisainana izay koa dia vao maika ampitomboin’ ireo Fikambanana tsy miankina amin ny fanjakana ONG amin’ ny lafiny rehetra: tontolo iainana, kolontsaina, fahasalamana, fampianarana, fahazazana, fambolena. Ary noho izany, loharanon-karena mazava avy any ivelany ilay fanampiana avy any ivelany, na dia ho an’ ny tena aza, ary anefa tsy fototry ny fivoarana maharitra.

Free and no ads
no need to download or install

Pino - logical board game which is based on tactics and strategy. In general this is a remix of chess, checkers and corners. The game develops imagination, concentration, teaches how to solve tasks, plan their own actions and of course to think logically. It does not matter how much pieces you have, the main thing is how they are placement!

online intellectual game →