Back

ⓘ Mamy Ralaivita dia mpihira sady mpamoronkira. Fony izy 12 taona dia nanangana tarika, vokatry ny nofinofy niarahana taminireo mpiray tam-po aminy sy ireo namany ..



                                     

ⓘ Mamy Ralaivita

Mamy Ralaivita dia mpihira sady mpamoronkira.

Fony izy 12 taona dia nanangana tarika, vokatry ny nofinofy niarahana taminireo mpiray tam-po aminy sy ireo namany nandritra ny fialantsasatra indrindra indrindra. Taminizany fotoana izany no nitsangananny tarika "Zanaki Dada" 1974 ary maro aminireo hirany taminizany no naveriny aminny raki-kira navoakany aminizao fotoana.

Maro ny mahatsiaro ny fandraisany anjara tao aminny Radio Televiziona Malagasy ka ny tapany voalohany dia niarahany taminny tarika Mahaleo. Taty aoriana kely dia nihira irery izy ka namoaka ny "Avereno aminay", izay nahazo ny "lokanny Hira malagasy".

Nandray anjara taminny fifaninana "Découverte Afrique" i Mamy Ralaivita ny taona 1983, ka nandrombahany ny amboara taminny "Ratagnalahy". Maro ireo "hetsika momba ny hira afrikana" nandraisany anjara taminio vanim-potoana io.

Noho ny asa maha-mpitsabo azy anefa dia nisy fotoana niatoany kely teo aminny sehatry ny hira.

Ankehitriny dia tafaverina soa eo aminny tontolonny zava-kanto malagasy izy ka hamoaka rakikira atsy ho atsy. Hotroninny fianakaviany izy aminizany katrokasa izany ka misy ireo sanganasany no nomeny hohirainireo zanany sy ny zanaky ny mpiray tam-po aminy.

Azo vangiana ny: ahitana ny mombamomba azy sy hihainoana ny sombin-kirany.

Free and no ads
no need to download or install

Pino - logical board game which is based on tactics and strategy. In general this is a remix of chess, checkers and corners. The game develops imagination, concentration, teaches how to solve tasks, plan their own actions and of course to think logically. It does not matter how much pieces you have, the main thing is how they are placement!

online intellectual game →