Back

ⓘ Eliza Freda. NY FIAINANY SY NY FIANARANY Teraka tao Ambositra tany ho any amin’ny taona 1900 ANDRIANALY Alfred izay fantatra amin’ny solon’anarana hoe Eliza Fre ..



                                     

ⓘ Eliza Freda

NY FIAINANY SY NY FIANARANY Teraka tao Ambositra tany ho any amin’ny taona 1900 ANDRIANALY Alfred izay fantatra amin’ny solon’anarana hoe Eliza Freda. Nodimandry ny 1962 teo amin’ny faha-62 taonany izy. Voataiza tamin’ny fivavahana Kristianina izy raha nanovo fahalalana tao aminny sekoly kristianina Benjamin ESCANDE ao Ambositra araka ny voasoratra ao amin’ny Takelaka Notsongaina I tak 65. Mpitandrina Frantsay avy amin’ny MPF na Mission Protestante Française i Benjamin ESCANDE ka nampitondraina ny anarany ny sekoly. Na dia taminny teny frantsay aza ny fampianarana taminny Fanjanahantany dia tsy natao tsinontsinona ny fampianarana ny taranja malagasy tao aminity sekoly ity. Nampivelatra ny fitiavanny mpianatra ny literatiora malagasy izany ka tao aminny andiany faharoa navoakanny sekoly indrindra no nahitana ny Pôety Eliza Freda sy Bolespara Rafanoharana; ny Pôety S. Bem Randrianasolo indray dia tao aminny andiany fahatelo araka ny nosoratani Robert Martel, 2011. Mpiasam-panjakana i Eliza Freda nanomboka tamin’ny taona 1925 ary Mpanoratra tamin’ny fanjanahan-tany rahateo. Heverina àry fa izany no anton’ny tsy nahazoana torohay maromaro mikasika azy, ary mety ho nahatonga azy niafina tamina solon’anarana mifanahatahaka amin’ny anaram-behivavy. Tsy fantatra mazava rahateo ny Ray sy Reny niteraka azy, toy ny tsy nahafantarana ny mombamomba ireo iray tampo aminy, ankoatra ani ROSA BEBY rahalahiny mpanoratra, niaraka namorona taminy ny tantara an-tsehatra mitondra ny lohateny hoe "Tranon-kala". Tonianny fanoratana ny gazety Tatsinanana izy araka ny voasoratra ao aminny Takelaka Notsongaina.

ELIZA FREDA SY NY POEZIA MPAMORONA TANTARA AN-TSEHATRA MPAMORONA TONONKIRA FANAPARIAHANY NY ASA SORANY FIKAROHANA MOMBA AZY

"Ao ambany dongon-tany, ao anaty vatam-paty misy reny tsy miteny, hatry ny ela no tavela" - Eliza Freda

Free and no ads
no need to download or install

Pino - logical board game which is based on tactics and strategy. In general this is a remix of chess, checkers and corners. The game develops imagination, concentration, teaches how to solve tasks, plan their own actions and of course to think logically. It does not matter how much pieces you have, the main thing is how they are placement!

online intellectual game →