Back

ⓘ Dox, Jean Verdi Salomon Razakandrainy. I Dox na koa fantatra taminny anarana hoe Jean Verdi Salomon Razakandraina dia teraka taminny 13 Janoary 1913 tao Mananka ..



                                     

ⓘ Dox (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)

I Dox na koa fantatra taminny anarana hoe Jean Verdi Salomon Razakandraina dia teraka taminny 13 Janoary 1913 tao Manankavaly. Azo lazaina ho anisanny poety malagasy fanta-daza indrindra aminizao andro izao i Dox.

                                     

1. Biôgrafia

Teraka taminny 13 janoary 1913 tany Manankavaly izy, fony nitana ny "Trano fitsaboana boka" tany It. Dr Samuel Salomon rainy, fa ny faritaninAntsirabe no tena fiaviany.

Sekoly maro no nianarani Dox: sekolim-panjakana tao Antsirabe, sekoly protestanta tao Ambohijatovo avaratra, Ambohimanoro, Collège Paul Minault. Tao aminity Kolejy farany ity no nanombohany nanoratra raha nandray anjara taminny gazety nifanaovanizy samy mpianatra tao izy, ka taminizay no nakany ny solonanarana hoe "Dox".

Tao aminny gazety Fandrosoam-baovao sy Tatsinanana no nisantarany fisehoana sy nitohizany nanoratra taona vitsivitsy. Tao aorianizay no nanomboka nisesy ny famoahany boky, ao koa ireo tantara fampiseho ambony lampihazo efa vita boky na tsy mbola nivoaka boky, ry ireo dikana teatra malaza frantsay izay vao i Dox no nanandrana nandika azy aminny teny malagasy vita poezia.

Nampianatra tany Antsirabe i Dox, ary taminizany no nahafantarany ani Razanabololona Perle izay tonga vadiny taminny taona 1943. Nipetraka tao Mandoto izy ireo talohanny nifindrany tao Antananarivo indray noho ny antony ara-pahasalamana.

Taom-pahoriana ho an i Dox ny folo taona nanomboka teo satria maty taminny novambra 1945 ny zanany voalohany. Nodimandry taminny Febroary 1949 ny zanany fahatelo, ary iray volana taorianio dia nandao koa ny rainy taminny martsa 1949. Tsy ela taorianireo, taminny 1954, no nodimandry i Razanabololona Perle vadiny.

Maty taminny 14 Jona 1978 tao Antananarivo i Dox, ary milevina ao aminny fasan-drazany ao Anjanapara Antsirabe.

Tsara ho fantatra fa disoanny olona matetika ny fanoratra ny anarany. Razakandraina no tena izy fa tsy Razakandrainy. Ny hevitrizany anarana izany dia mifototra aminny hoe andrandraina, araky ny filazani Dox azy.

                                     

2. Ny mampiavaka azy

Nidonam-pahoriana maro i Dox taminny fiainany.

Tsy mahagaga raha maro ireo tononkalony no mihira ny fahafatesana sy ny fiononana.

Fa ny fitiavana no azo lazaina ho manan-toerana lehibe indrindra ao aminny soratri Dox: fitiavana manan-tarehy manokana anefa, fa tsy mba irony rediredim-pitia mitory fangorintsinny nofo eo anoloanny tiana, fa ny fihetseham-po aman-tsaina eo anoloanny tiana sy ny mety ho tiana na ny fitsikerana fihetseham-pom-pitiavana.

Ny fomba fanoratr i Dox dia manana izay toetrany manokana izay koa: tsotra nefa mifono - ary hita mikaroka - hevi-dalina voalaza aminny teny misy sary sy loko.

Dox dia:

-manoratra tononkalo mendrika "sonnet" 4-4-3-3 izany hoe ny andininy roa voalohany andalana efatra ary ny andininy roa faharoa andalana telo

-mpanankato "bohemien" izany hoe mandehandeha

- nikalo ny zava-boahary

                                     

3. Ny asa-sorany

Ny tantara fampiseho ambony lampihazo:

  • Estera 1958
  • Ombalahy savika ombalahy 1958.
  • Ombalahibemaso
  • Solemita 1949
  • Apokalipsy 1957

Ireo dikana teatra malaza frantsay nataony:

  • Tononkaloni Victor Hugo sy Ronsard
  • Romeo and Juliett - Shakespeare nadika avy taminny teny anglisy
  • Andromaque - Racine
  • Le Cid - Corneille
                                     

3.1. Ny asa-sorany Ny boky sy amboaran-tononkalo navoakany:

  • Ny Fitiavany 1957,
  • Izy mirahavavy 1946,
  • Telomiova 1960
  • Amina Batsola 1958,
  • larivo 1956,
  • Solemita 1949,
  • Voninkazonny Tanteraka 1956,
  • Apokalipsy,
  • Mavo handray fanjakana 1958,
  • Hira va 1948,
  • Fahatsiarovan-tena 1958,
  • Rakimalala 1955,
  • Izy mirahalahy 1958,
  • Ny Hirako 1940,

Marihina etoana fa maro ireo tononkalony izay navadika ho hira, toy "Ny hirako" nataoni Ramaroson William, niaraka taminny mpilalao mozika "Sorajavona". Ny amboaran-tononkalo nosoratany taminny teny frantsay dia mitondra ny anarana hoe "Chants capricornien" ary novitainy taminny 1971. Tsy natonta anefa izy io raha tsy taminny 1991 ary naverina natonta indray taminny 1995.

                                     

3.2. Ny asa-sorany Ny tantara fampiseho ambony lampihazo:

  • Estera 1958
  • Ombalahy savika ombalahy 1958.
  • Ombalahibemaso
  • Solemita 1949
  • Apokalipsy 1957
Free and no ads
no need to download or install

Pino - logical board game which is based on tactics and strategy. In general this is a remix of chess, checkers and corners. The game develops imagination, concentration, teaches how to solve tasks, plan their own actions and of course to think logically. It does not matter how much pieces you have, the main thing is how they are placement!

online intellectual game →