Back

ⓘ Georges Andriamanantena. Anarana: ANDRIAMANANTENA Fanampinanarana: Georges Teraka tamin’ny: 1 oktobra 1923, Tao Ambohipotsy - Antananarivo Nodimandry: 11 septam ..



                                               

1923

Franck Jotterand Ib Braase Christian Mathelot Richard Hugo Carlos Edmundo de Ory Jean Turc René-André Lombard David Lowell Rich Hwang Jang-yop Pierre Camu Ernesto Prinoth Philly Joe Jones Ahmed Asmat Abdel-Megid Serge Collot John Scott 9e duc de Buccleuch Louis-Edmond Hamelin Jacques Dynam Samiha Khalil Lydia Clarke Victoria de los Ángeles Wataru Misaka Ellis Larkins Lyubomir Hranov Manuel Mejía Vallejo Robert Van Tonder Yves Massard Billy Kearns Antoine de Vogüé Thad Jones Pierre Cossette Michel de Ré Jaroslav Pelikan Daniil Khrabrovitsky Lee Kuan Yew Maurice Bellet Bernard Guillemain Bor ...

                                     

ⓘ Georges Andriamanantena

Anarana: ANDRIAMANANTENA

Fanampinanarana: Georges

Teraka tamin’ny: 1 oktobra 1923, Tao Ambohipotsy - Antananarivo

Nodimandry: 11 septambra 2008

Ray: ANDRIAMANANTENA Gaston, Mpitandrina efa-maty

Reny: RAZAFINDRAFARA efa maty

Fiaviana: lafin-dray: Betsizaraina - Antananarivo Lafin-dreny: Amboanana - Arivonimamo

Solon’anarana amin’ny asa soratra: Rado, noho ny fitiavany ilay Ohabolana hoe: "Voahangy mitoham-bolamena, raha misaraka tsy ampy ho rado" mitory hatsaran-tarehy

Vady: RAVOLOLONA Edwige

Zanaka: Enina mianadahy 4 vavy, 2 lahy

Zafikely: 14

Zafiafy: 12

Sekoly nianarana:

  • 1929 - 1931: École Officielle Faravohitra
  • 1941 - 1942: Kolejy Paul Minault
  • 1959 - 1960: Centre International d’Enseignement Supérieur de Journalisme Université de Strasbourg- France
  • 1943: Chambre de Commerce fianarana comptabilité
  • 1932 - 1940: Ambohijatovo Atsimo FFMA

Asa natao:

  • 1955 - 1966: Gazety Hehy nanao gazety
  • 1943 - 1955: Préservatrice Assurances
  • 1967 - 1974: Talen’ny Trano Famoaham-Boky Protestanta Imarivolanitra
  • 1977 - 1989: Tale tao amin’ny Ministeran’ny Fanolokoloana sy ny Zavakanto Revolisionera
  • 1975 - 1977: Niverina tao amin’ny Gazety Hehy

Asa soratra: "Dinitra" 1973 ; "Ando" 1977 ; "Zo" 1980 ; "Sedra" 1993 ; "Ny Teny Malagasy" 1994 ; "Tsy maintsy mipoaka" 2002 ; "Voninkazo adaladala" 2003 ; "Fiteny roa - En deux Langues" 2005

Manana tononkalo voadika amin’ny teny: Rosiana, Anglisy, Frantsay, Alema. Fikambanana misy azy: Havatsa - Upem: Union des Poètes et Écrivains Malgaches Filohamboninahitry ny Fikambananan’ny Mpikabary eto Madagasikara, Mpikambana Mahefa ao amin’ny Akademia Malagasy Membre Titulaire

Talenta hafa: Sary hosodoko, paik’afo pyrogravure, kiky fitaratra gravure sur verre, tosi-by métal repoussé, famoronana hiram-bavaka. Ala voly: Jono ranomamy sy ranomasina, filalaovana amin-jafikeliny Mariboninahitra: nomen’ny Fanjakana fa tsy nangatahana: Chevalier, Officier, Commandeur, Grand Officier, Grand Croix de 2ème classe de l’Ordre National Malagasy Toerana nanaovany fampirantiana Zavakanto: Antananarivo, Francoville, Paris Frantsa

Fanolokoloana: Tao an-tokantranon’ny raiamandreninay, ankoatra ny fitaizana kristiana izay tena nimasoan’izy ireo fatratra, dia nisy koa fanabeazana sy fanolokoloana noraisina tamin’izy ireo.

- Isaky ny Alarobia hariva, alohan’ny hatoriana, dia misy fotoam-pivavahana iombonanay mianakavy, ka ifandimbiasana isan-kerinandro ny ftarihana azy. Tena nahasoa anay mianadahy isany izany. Ivelan’ny fitaizana azonay teo anivon’ny Fiangonana isan’alahady mantsy dia manatanjaka ny fijoroanay ho kristiana teo anivon’ny fiarahamonina izany, mandraka ankehitriny.

- Aorian’io fiaraha-mivavaka io koa dia ampianarina ny fomba amam-panao maha Malagasy izahay. Indrindra ho tia sy hahay ny Teny Malagasy. Izay tena nimasoan’Idada tamin’izay dia ny fampahatantarana ohabolana Malagasy taminay. Tsy maintsy mahay sy mahafantatra iray isan-kerinandro izahay, ary raha ilaina aza dia hiverenena amin’ny manaraka iny raha mbola tsy mazava.

- Ankoatra’ireo dia nampianarina ho tia hira, tantara, angano, mozika, sary, sol-fa, zava-maneno. Azoko lazaina fa ny fampitiavany anay ireny kanto ireny no nitarika anay ho amin’izao toerana misy anay ankehitriny izao: mpanoratra, mpanao gazety, mpamoronkiram-bavaka, mpanao sary, mpamorona zava-kanto. Nezahiny ny nividy harmonia hianaranay mitendry, na dia elaela ihany aza ny fanefana izany, fa naloa tsikelikely.

- Nampidirina tany amin’ny Fitaizana Tily koa izahay mirahalahy. Manampy ny fitaizana maha olona koa izany: hahay mihafy, mahay mikarataka mba tsy ho very mandeha, hahaleo tena ary hahalala ny tontolon’ny fiaraha monina, ho tia tanindrazana sy hatahotra an’Andriamanitra.

- Izany rehetra izany mitambatra no lasitra nibeazanay mianadahy avy. Ekeko marina ankehitriny fa ny fanolokoloana sy fanabeazana ao an-tokantrano toy izay natao taminay, no antoka voalohany haha firenena vanona ny firenena. Raha tsy any amin’ny andron’ny fahazazana no voataiza ny zanaka mba hahalala ny sori-dalana tiana halehany dia firenena poakaty feno tsangan’olona tsy misy ilana azy ny firenena.

Free and no ads
no need to download or install

Pino - logical board game which is based on tactics and strategy. In general this is a remix of chess, checkers and corners. The game develops imagination, concentration, teaches how to solve tasks, plan their own actions and of course to think logically. It does not matter how much pieces you have, the main thing is how they are placement!

online intellectual game →