Back

ⓘ Simia - Simia, Marie Curie, Metaly, Varsôvia, Miratoerana, Zavaboary, Tritium, Voankazavana, Rano, Ôksizenina, Deuterium, Volamena, Asidra dezôksiribôniokleika ..



                                               

Simia

Avy aminy Alsimia ny simia. Ny alsimia dia avy any aminy teny arabo الخيمياء Al kemi ; Misy etimolojia roa aminy teny arabo, etimolojia iray aminy teny ejipsianina, dia iray hafa aminy teny grika Araka ny hevitra ejipsiana, ny teny kemi avy any aminilay teny Kôpta chame voahindrana aminny teny ejipsiana taloha kemi majia Araka ny hevitra grika, ny teny kemi avy any aminy teny χυμεία khumeia: fifangarona rano Taminy taonjato nanaraka teo, nivelatra ny alsimia dia nananteraka ny simia izy. ny fiteny simia dia avy aminilay teny mivilana. Nisy fifandrosoana ny simia dia nivadika siansa marina ...

                                               

Marie Curie

I Marie Curie teraka taminny anarana Maria Salomea Skłodowska herbu Dołęga ny 7 Novambra 1867 tany Varsôvia, Polonia ankehitriny ary maty ny 4 Jolay 1934 tao aminny sanatôriômani Sancellemoz tao Massy, Haute-Savoie, Frantsa, dia mpanao fizika ary mpanao simia poloney, izay nivadika ho frantsay. Loka Nobel ao 1903 ary 1911.

                                               

Metaly

Ny metaly dia zavatra simika mety mampita aratra na hafanana ary mivadi-toetra mba ho lasa katiôna na manao rohy iônika amin ny zavatra tsy metaly. Amin ny simia, ny metaly (avy amin ny teny grika μέταλλον / metallon dia zavatra afaka mitondra aratra moramora kokoa noho ny rivotra na zavatra hafa toy ny plastika na fitaratra. Ao anatin ny metaly, ny atôma dia mety mivadika katiôna amin ny alàlan ny haverezana elektirôna iray ary avy amin ny fangalarana elektirôna iray hafa any amin ny atôma manodidona azy mba hanolo ilay elektirôna very. Ohatra metaly matetika ampiasaina: Vy Viraty Firaka ...

                                               

Varsôvia

52.23700°N 21.01467°E  / 52.23700; 21.01467 Varsôvia fiteny poloney: Warszawa dia renivohitri Polonia, ny isam-poniny dia 1.7 tapitrisa mponina eo ho eo 1 726 581 2014).

                                               

Miratoerana

Aminny fizika molakiolary sy aminny simia, tenenina hoe miratoerana ny atoma rehefa mitovy ny isanny prôtôna fa tsy ny isanny netirôna. Voatondro aminny isa atomika Z ny isanny prôtôna anatina vaonina. Mitovy isa Z ny miratoerana roa, fa samihafa ny lanjany A. Ny lanja dia tontalin isanny prôtôna sy ny tontalinny isanny netirôna. Ny mahasamihafa ny lanjanny miratoerana dia ny isanny netirôna N. Ny mahasamihafa ny atôma miratoerana dia ny isanny netirônany, afatsy rehefa misy ionisation miova ny isanny elektirona

                                               

Zavaboary

Ny zavaboary dia tontolo tsy nokasihanny olombelona. Ny teny mifanohitra aminny teny "zavaboary" dia "tontolo namboarina", izany hoe tontolo namboarinny olombelona toy ny saha, ny trano na ny tanàna. Ho anny olona vitsivitsy, misy hasarotana eo aminny teny "ara-javaboary", satria ny zavaboary dia matetika voakasiky ny hetsikanny olombelona, na avy hatrany na tsia.

                                               

Tritium

Ny tritium dia miratoeranny hidirôzenina. Ny tritium dia manana prôtôna iray su netirôna roa. Ny mahasamihafa azy aminny deuterium dia ilay radioactivité ananany, mamoaka sandrahaka beta β- izy rehefa mivadika helium 3 He Ny periôdiny dia 12.32 taona. Ny activité massique-ny dia misy 3.59×10 14 Bq/g soit 1 g = 359 TBq

                                               

Voankazavana

Aminny taranjanny fizikanny voanjavatra, ny voankazavana dia voanjavatra mety angôvo na zavatra. Izy io dia manana lanja azo tsy raharahiana ary manana vesatra elektrika azo tsy rarahina (noho ny vesany latsaky ny 1.0 -35 e. Ny lazaina hoe spin -ny dia 1 ary ny elanelan-kalavam-piainana dia tsy mety ampiasiana aminny voankazavana. Efa nolazain Albert Einstein ny fisianny voankazavana, taminny 1905-1917, fa Arthur Compton no nahita azy taminny 1923.

                                               

Rano

Ny rano dia akora iankinanny aina eto an-tany. Aminny mari-pana sy ny tsindry mahazatra dia miendrika zaka mitsiranoka izy. Fa hita aminny endrika mientona sy mivaingana koa izy eo aminny tontolo voajanahary.

                                               

Ôksizenina

Ny ôkzizenina dia zavatra manana lahatra atômika 8 ary manana eva O. Ny lanjanisam-bentin-kadiriny dia 1.429 kg/m 3 Ny ôkzizenina dia 8%-nny lanjanny ranomasina, 46%-nny lanjanny hoditany, 23.1%-nny lanjanny rivotra diôkzizenina, ôzôna. Aminny hafanana sy tsindry antonony 25 °C, 1 Bar, etona diatômika ny fisehonny okzizenina, roanôkzizenina dioxygène ny anarany, manana raikipohy simika O 2. Io no lazaina hoe ôkzizenina anatinny soson-drivotranny tany. Ny ôzônina indray telonokzizenina dia etona metastabla misy any aminny haambo 40-50 km any ho any, ary tantavaniny ny ankoatra ny volomparas ...

Deuterium
                                               

Deuterium

Ny Deuterium dia miratoerana natoralinny hidirôzenina. Ny vaonina atômikany dia prôtôna irany sy netirôna iany. Ny lanjanny deuterium dia 2. Ny deuterium dia hitani Harold Clayton Urey taminny 1931, simistanny oniversiteni Columbia, nampahazo azy ny Prix Nobel-na Simia taminny 1934.

Volamena
                                               

Volamena

Ny volamena dia singa simika mitondra ny eva Au. 79 ny isa atômikany. Mavomena mamiratra ny lokony, mavesatra izy, azo tefena ho manify araka izay azo atao. Metaly fanaovam-piravaka sarobidy ny volamena. Izy koa no fototry ny sandam-bola miasa eran-tany. Misy karazany roa ny volamena, dia ny volamena maitso sy ny volamena mena. Ara-tantara dia ny volamena no metaly sarobidy indrindra. Nolazaina ho tsy mety simba sady metaly manan-kaja izy satria tsy dia andairan ny asidra na ny harefesina.

Asidra dezôksiribôniokleika
                                               

Asidra dezôksiribôniokleika

Ny asidra dezôksiribôniokleika na ADN dia môlekiola hita aminny selanny zava-miaina rehetra. Ny ADN dia ahitana ny fampahalalana jenetika rehetra izay ahavelomanny zava-miaina.

Free and no ads
no need to download or install

Pino - logical board game which is based on tactics and strategy. In general this is a remix of chess, checkers and corners. The game develops imagination, concentration, teaches how to solve tasks, plan their own actions and of course to think logically. It does not matter how much pieces you have, the main thing is how they are placement!

online intellectual game →